Niteraka fahafatesana ho an’ireo biby fiompy ny oram-be tany Ambovombe, Tsihombe, Antanimora any amin’ny faritra Androy. Raha ny loharanom-baovao azo teo anivon’ny ministeran’ny Fiompiana dia omby miisa dimampolo raha kely indrindra no maty vokatry ny rotsakorana nisesy tany an-toerana. Mbola eo an-dalam-panaovana ny tombana ho fanangonana ny antontanisa ireo tompon’andraikitra amin’izao fotoana ka ahiana ny mety mbola hiakaran’ny isan’ireo biby maty. Fepetra noraisina vonjimaika ny fananganana “Taskforce” iombonana hijery akaiky ity tranga ity.
Ankoatra ny omby dia nahitana ondry, osy, ary akoho amam-borona maty ihany koa tany an-toerana. Mbola mandeha ankehitriny ny fanisana ireo biby fiompy maty ireo ary tombanana hihoatra ny zato ny antontan’isa, raha ny tatitra avy amin’ny Lehiben’ny Faritra Androy, ny Dr Djiby Firavoa. Ny orana nilatsaka nandritra ny fotoana naharitra no tena nitarika fahafatesan’ireo biby fiompy maro ireo.
Araka ny nambaran’i Solo Aimé Andrianambinina Ben’ny tanànan’Ambovombe mantsy, dia ny alakamisy 13 aogositra lasa teo nanomboka tamin’ny 09 ora sy sasany maraina no nikija ny orana ary nitohy hatramin’ny zoma tontolo andro. Ny alin’io zoma io, tokony ho tamin’ny 11 ora, vao nisy fihenany ny rotsakorana, saingy mbola nitohy hatramin’ny sabotsy maraina izany. Ny sabotsy atoandro lasa teo vao niverina niposaka indray ny masoandro.
Tsy afaka nisakafo, araka izany, ireo biby fiompy no sady tratran’ny hatsiaka ka nitarika tany amin’izao fahafatesany izao. Araka ny iraka manokana nampanaovin’ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika dia efa nanao fizahana tany an-toerana ny avy amin’ny ministeran’ny Fiompiana. Voamarina tamin’izany fa tsy nahitana aretina fa tena ny orambe nandalo tokoa no nitarika ny fahafatesan’ireo biby ireo.
Fepetra vonjimaika noraisina ny fananganana “Taskforce” iombonana hanao ny fanentanana, ny fanaraha-maso ary ny fandraisana fepetra haingana hisorohana ny fiverenan’ny tranga. Nisantarana ny asan’io vondrona io ny fanisana sy famantarana ireo biby fiompy niharam-boina, ny isan’ny biby maty sy marary, ary indrindra ny fizarana fanafody sy fanampin-tsakafo ho an’ireo biby mbola marefo.
Nanolotra vola mitentina 3 tapitrisa ariary ny ministera ho fandraisana anjara amin’ny fanohanana ireo asa ireo. Hamafisina ihany koa ny fanentanana ireo mpiompy amin’ny fikakarana ny fiahiana ireo biby, ny fanomezana toerana fialofana sahaza, sakafo ampy, rano madio ary fanaraha-maso ny fahasalaman’ny biby, indrindra amin’ny fiatrehana ny vanim-potoam-pahavaratra.















