PUBLICITÉ
samedi, 22 août, 2026
  • Login
  • S'enregistrer
2424.mg - L'actualité à Madagascar en temps réel
Journalisme participatif
  • Accueil
  • Actualité
    • Brèves
    • Politique
    • Faits divers
    • Économie
    • Social
    • Régions
    • City Life
    • Sport
    • Monde
  • Reportages
    • Portrait
  • Life
    • Culture
    • Solution
  • Dossiers
  • Météo
  • Partenaires
No Result
View All Result
2424.mg - L'actualité à Madagascar en temps réel
  • Accueil
  • Actualité
    • Brèves
    • Politique
    • Faits divers
    • Économie
    • Social
    • Régions
    • City Life
    • Sport
    • Monde
  • Reportages
    • Portrait
  • Life
    • Culture
    • Solution
  • Dossiers
  • Météo
  • Partenaires
No Result
View All Result
2424.mg - L'actualité à Madagascar en temps réel
No Result
View All Result

VANF ANTRANONKALA – Fotsy, Mena, Maitso

2424.mg Actualité & Reportagespar2424.mg Actualité & Reportages
17 juillet 2019
dansÀ la une, Opinions, Tribune libre
0 0
0
VANF ANTRANONKALA – Fotsy, Mena, Maitso
0
Vues
Partager sur FacebookPartager sur Twitter

«Miloko telo soratra ny sainam-pirenena malagasy ankehitriny dia ny fotsy mitsangana manaraka ny hazo ary ny mena sy ny maitso mitsivalana mifanongoa, ny mena ambony». Nandritra ireny «Alefa Barea» ireny dia nipoitra ombieny ombieny ny sainam-pirenena malagasy. Jejo nitanisa ny lokon’ny sainam-pirenena ny olona maro. Saingy.

Saingy. Ny sasany nandiso ny fanoratana ny MAITSO, nataony hoe maintso. Saika ho fanitsiana io fotsiny no niheverako ity lahatsoratra ity, saingy revo tamin’ny loko aho dia nanita-kevitra. Fanitaram-pahalalana.

2424.mgArticles similaires

ÉNERGIE – La Jirama prévoit une révision de ses contrats avec les producteurs privés d’électricité

TRANSPORT FERROVIAIRE – La Banque mondiale prévoit un prêt assorti de conditions s’élevant à 149 millions pour Madarail

SANTÉ – Madagascar interdit temporairement l’entrée aux étrangers non-résidents venant des pays touchés par Ebola et suspend les voyages vers ces pays

Fahiny, ny hazo sy ny zavamaniry teo am-pelatanana ihany no nangalan’ny Ntaolo ny loko ho ampiasainy. Ny hazo antsoina hoe aika no ahazoana ny Manga (indigo). Ny Fotsy, hono, azo amin’ny laloto na amin’ny nonoka. Ny Mainty masahana amin’ny vodi-voahirana (tatamo) na amin’ny ravin’ampongabendanitra. Miara-tanehina amin’ny fota-mainty koa ny hoditry ny rotra na ny ravi-maitson’ny lalona na ny vodi-herana dia miteraka ranomainty fandomana kofehy. Mba hahazoana ny Maitso dia mangàna aloha ny kofehy vao atsoboka anaty ranon-tamotamo. Ny tamotamo mandranoka ny Mavo. Ny vovoky ny hazo vandrika no anaovana ny Vony. Ny Mena alaina amin’ny nato, hozo, harongana, amontana, vahona.

Ny Vony raha haroana mena tanora dia manjary Haboka. Tsy niandry ny «quadrichromie» ny olona taloha dia nahay nampifangaro loko roa hahazoana loko fanintelony hafa.

Mainty = mavo + manga (cyan) + mena (magenta).
Mainty = cyan + mena
Mainty = magenta + maitso
Mainty = indigo + mavo
Manga = cyan + magenta
Maitso = mavo + manga
Mena = manga + mavo

Ny jaky, nitafian’Ny Andriamanjaka taloha, mivolona-ràn’omby lavo sorona an-kianja, no mifandraika amin’ny magenta. Ny elo mena, an’Ny Andriamanjaka irery ihany, jaky mena sa mena midorehitra tahaka ny volon’ny fodilahimena ? Ny lambamena, anarany fotsiny, fa tsy voatery miloko mena.

Ny lanitra mangamanga. Ny voatabiha (tabiha sy rehareha) mena. Ny volo antitra fotsy. Ny volo tanora mainty. Ny volo tanora anefa maitso volo ihany koa. Ny mainty izany maitso. Indraindray koa ny manga milaza mainty : zazamanga, ohatra.

Ny feo mety ho fotsy, raha mivalana. Manga kosa raha mahay mihira. Ny manga amin’Ambohimanga sy Analamanga fahiny : manga midika hoe tsara, sa manga maizin’ny ala mbola nandrakotra ny vohitra, sa manga sanga ?

Ny tany fanao trano manga, misy koa vony : ny tany fotsy, na tany ravo, dia tany sokay fandalorana rindrindra na fanaovana bakoly. Ny ranomena fitsaboana, ny rano mainty fanoratana. Ny biby misy vorompotsy, ombimanga, vandana ka kary…

Indro fomba fiteny dimy maha fanina ny Vahiny amin’ny fomba fisainantsika. 1) Amin’ny fiteny MAINTI-molaly, ny raiamandreny lehibe no antsoina hoe FOTSI-volo. 2) Ny FOTSImbary dia izay vary voatoto, na dia vary MENA aza. 3) Mamotsifotsy Fotsy volo = maniratsira raiamandreny. 4) Hajao ny FOTSY volo amin’ny Tany na dia efa olo-MANGA mbola MAITSO volo aza ny tena. 5) Sora-tononina saro-tononina : Fototsofin’Ifotsy, FOTSY ; Ifotsy, FOTSY foto-tsofina…Ifotsy eto dia ny zanakavavy mazava hoditra.

Fanina ny Vahiny na ireo Gasy tsy zatra intsony, satria tena nandaitra ny politikan’ny teny tamin’i Gallieni moa ny Gasy nanimba ny Fanagasiana. Fanina, indrindra raha mbola zarazaraina indray ny hevitra hoe mety ho tsara ny fotsy (fotsivolo = raiamandreny, fotsy kotro = tany masaka, lonaka, mahavokatra), mety ho ratsy ihany koa (fotsy feo = mamalan-kira, fotsy rora = tsy misy mihaino)…

Mivolon-dronono, rahompotsy, vovohan-dandihazo, diavolana, oram-panala : manopy fotsy avokoa ireo. Izay Fotsifotsy, tsy tena fotsy, fa mivolon-dronono. Ny Fotsy fiaka : tsy tena fotsy madio fa somary mavo na haboka tanora. Ny Fotsy mavo dia fotsy mifangaro vony tanora. Fotsy mangatsakatsaka (tena fotsy madio), fotsy botsiaka (fotsy botsiaka), fotsy mangatsohatso (fotsy mazava), fotsy manjopiaka (fotsy mangirana ka mamiratra nony tarafin’ny hazavana), fotsy ranoiray (fotsy tsy misy pentina). Hafahafa noho iretsy voalohany kosa ireto manaraka ireto : fotsy vasoka, fotsy mangavoka, fotsy bobo, fotsy botsatsaka, fotsy hatsatra.

Fa na izaho koa aza fanina raha ho tanisaina eto daholo ny volon’ny omby : sada, sadabe, sadamanga, sadamaitso, sadamavo, sadamena, sadavolavita… Fanina tanteraka Mompera Dubois (Monographie des Betsileo, 1938, pp.482-487) ka nataony hoe «Daltoniens angamba ireto Betsileo ireto»…

Ho fahafinaretan’ny maso sy ny sofina, satria mihira ny teny gasy, indro tononkalo roa hifanaovam-beloma an-doko.

Ny maso variana mandinika mora
Ny fomba firentin’ny loko niely
Ny mena dorehitra zary tanora
Dia toy ny takolak’ireo zazakely
Ny volomparasy nanombana manga
Toa lamba fitafin’ny zanak’andriana
Ny jaky nisoratra soa vangavanga
Dia loko tsy hita amin’ny sora-jandiana

(«Rakotoko», Ny Avana 1891-1940)

Voleo voninkazo eo ambonin’ny lohako
Fotsy sy Mavo ary Manga sy Mena
Ny Fotsy ho marik’ilay fahadiovana
Fotsy madio, fa tsy azo lotoina
Ny endriny Mavo ny fofony manitra
Dia fivavahana ataoko any an-danitra
Ny Manga ho marik’ilay fihafiana
Niaraha-nitondra ny zava-mangidy
Ny Mena no taratry ny Afo tsy maty
Mirehitra lava ao anatin’ny foko

(«Rehefa maty aho», Jasmina Ratsimiseta, 1890-1946)

Tags: VANF
PUBLICITÉ
Article précédent

60ÈME ANNIVERSAIRE DE L’ADMINISTRATION PÉNITENTIAIRE

Article suivant

NELSON MANDELA’S DAY

2424.mg Actualité & Reportages

2424.mg Actualité & Reportages

Un média en ligne indépendant, neutre, couvrant aussi bien l'actualité à Madagascar ou réalisant des reportages sur différents sujets de société. Notre vision est libre, car nous garantissons l'absence de fonds provenant de politiques dans nos revenus, nos seuls revenus proviennent exclusivement de fonds privés et de la publicité.Nous encourageons le journalisme participatif, contactez-nous aujourd'hui pour plus d'informations.

Article suivant
NELSON MANDELA’S DAY

NELSON MANDELA'S DAY

BRÈVES Fil info Madagascar

  • Antananarivo : L’ATT renforce les contrôles dans les gares routières pour les départs d’août
    11 août 2026, BRÈVES
  • L’Agoa devrait être prolongé jusqu’en 2028.
    11 août 2026, BRÈVES
  • BASKETBALL – Madagascar affronte le Senegal en quarts de finale de l’Afrobasket U18
    11 août 2026, BRÈVES
  • Madagascar : Réunion à Ambohidahy pour anticiper les tensions sur le marché du riz
    11 août 2026, BRÈVES
  • Le colonel Randrianirina rencontre la communauté malgache de N’Djamena
    11 août 2026, BRÈVES
  • Mahajanga : une campagne contre les départs clandestins vers Mayotte
    11 août 2026, BRÈVES
  • Six décès de la rougeole à Antsirabe
    6 août 2026, BRÈVES
  • Olga Ramiarinjanahary nommée ambassadrice de Madagascar à Maurice
    5 août 2026, BRÈVES
  • Joël Andrianomearisoa parmi les finalistes du High Line Plinth
    5 août 2026, BRÈVES
  • Madagascar démarre l’Afrobasket U18 2026 par une victoire
    5 août 2026, BRÈVES
https://www.facebook.com/SmtpMadagascar
PUBLICITÉ

Nos recommandations

EDUCATION – Des établissements scolaires suspendent les cours en présentiel pour cause de mauvais temps

EDUCATION – Des établissements scolaires suspendent les cours en présentiel pour cause de mauvais temps

19 janvier 2022
DÉPLACEMENT PRÉSIDENTIEL – Rencontre entre Rajoelina et Macron ce vendredi

DÉPLACEMENT PRÉSIDENTIEL – Rencontre entre Rajoelina et Macron ce vendredi

9 juin 2023
SANTE PUBLIQUE – La réouverture du Centre médical Covid-19 au Village Voara prévue en fin de semaine

SANTE PUBLIQUE – La réouverture du Centre médical Covid-19 au Village Voara prévue en fin de semaine

14 janvier 2021
MUSIQUE – Shyn sort le single Mazava en prélude à son nouvel album

MUSIQUE – Shyn sort le single Mazava en prélude à son nouvel album

4 juillet 2024
PUBLICITÉ

NEWSLETTER

RECEVOIR GRATUITEMENT LES ACTUALITÉS PAR EMAIL

REMARQUE : La confirmation et la Newsletter pourraient tomber dans votre dossier SPAM

À ne pas manquer

INFRASTRUCTURES – L’Etat toujours en quête de financement pour le projet TaTom
Actualité

INFRASTRUCTURES – L’Etat toujours en quête de financement pour le projet TaTom

15 février 2023
GOUVERNEMENT – Le ministre des Affaires étrangères limogé
Reportages

GOUVERNEMENT – Le ministre des Affaires étrangères limogé

18 octobre 2022
ETATS-UNIS – Funérailles nationales de l’ancien président américain Jimmy Carter à Washington jeudi
Monde

ETATS-UNIS – Funérailles nationales de l’ancien président américain Jimmy Carter à Washington jeudi

10 janvier 2025
EMPLOI – QMM annonce le recrutement de 22 stagiaires issus des établissements d’enseignement supérieur de Tolagnaro
Actualité

EMPLOI – QMM annonce le recrutement de 22 stagiaires issus des établissements d’enseignement supérieur de Tolagnaro

4 août 2025
EGLISE CATHOLIQUE – 15.000 enfants issus des quatre coins de l’île réunis à Antananarivo
À la une

EGLISE CATHOLIQUE – 15.000 enfants issus des quatre coins de l’île réunis à Antananarivo

27 juillet 2023
Préparez-vous avant l’arrivée du cyclone.
Actualité

Préparez-vous avant l’arrivée du cyclone.

4 février 2022

Catégories

  • 60ème anniversaire de l'indépendance
  • À la une
  • Actualité
  • Afrique
  • City Life
  • Culture
  • Dossiers
  • Économie
  • Faits divers
  • Identité et Culture
  • International
  • Le choix de la rédaction
  • Life
  • Météo
  • Monde
  • Non classé
  • Opinions
  • Partenaires
  • Politique
  • Portrait
  • Radio
  • Recommandations
  • Régions
  • Reportages
  • Social
  • Solution
  • Sport
  • Tribune libre
2424.mg - L'actualité à Madagascar en temps réel

2424.mg est un site web promu par UNITED MALAGASY MEDIA, visant à produire des contenus de qualité aussi bien dans l'actualité quotidienne ou sous forme de reportages. Consultez la page dédiée pour plus d'informations.

En savoir plus

Catégories

  • 60ème anniversaire de l'indépendance
  • À la une
  • Actualité
  • Afrique
  • City Life
  • Culture
  • Dossiers
  • Économie
  • Faits divers
  • Identité et Culture
  • International
  • Le choix de la rédaction
  • Life
  • Météo
  • Monde
  • Non classé
  • Opinions
  • Partenaires
  • Politique
  • Portrait
  • Radio
  • Recommandations
  • Régions
  • Reportages
  • Social
  • Solution
  • Sport
  • Tribune libre

Parcourir par Tag

AdministrationAgricultureAndry RajoelinaAntananarivoBareaCANCaricatureCENICirculationCommerceCoronavirusCovid-19CUACultureEnseignementEnvironnementFestivitéfootballinfrastructuresinsécuritéJeux des îlesJiramaJusticeManifestationMinute flashMusiqueMétéoPartenariatPolitiquePrésidentielle 2023SantésocialsportTourismeTransportTransport aérienVaccinVANFvaovaoÉconomieÉducationÉlectionsÉnergieÉpidémieÉvènement
  • Contact
  • Publicité
  • Journalisme participatif
  • Politique de confidentialité

© 2018-2020 2424.mg - Une marque de UNITED MALAGASY Actualités et reportages à Madagascar.

Heureux de vous revoir !

Se connecter avec Facebook
Se connecter avec Google+
OU

Connectez vous à votre compte

Mot de passe oublié ? S'incrire

Créer un nouveau compte !

S'inscrire avec Facebook
S'inscrire avec Google+
OU

Merci remplir le formulaire pour s'enregistrer

*En vous inscrivant vous marquez votre accord avec les termes, les conditions et la Politique de confidentialité.
Tous les champs sont obligatoires Log In

Récupérer votre mot de passe

Merci saisi votre identifiant ou votre email pour réinitialiser le mot de passe

Log In

Add New Playlist

No Result
View All Result
  • Login
  • S'incrire
  • Accueil
  • Actualité
    • Brèves
    • Politique
    • Faits divers
    • Économie
    • Social
    • Régions
    • City Life
  • Reportages
  • Life
    • Culture
    • Sport
  • Opinions
    • Tribune libre
  • Monde
  • Partenaires
  • Contact
  • Publicité
  • Journalisme participatif
  • United Malagasy Media

© 2018-2020 2424.mg - Une marque de UNITED MALAGASY Actualités et reportages à Madagascar.

Ce site web utilise des cookies. En continuant, vous marquez votre accord à ce que le site utilise des cookies. Voir la Politique de confidentialité.