– FITATERANA – Milaza ny hampiditra am-balam-pamonjana sy hisintona ny taratasy fahazoan-dalana miasa an’ireo fiara fitateram-bahoaka mbola mampihatra ny saran-dalana 800 ariary manomboka ny zoma izao ny Kaominina Antananarivo Renivohitra
– VALANARETINA – 606 ireo mararin’ny Covid-19 manaraka fitsaboana, ka 9 amin’ireo anaty tranga fahasarotana.
– FANADINAM-PANJAKANA- Miisa 192.435 ireo mpiadina niatrika ny fanadinana bakalorea nanomboka androany alatsinainy.
