https://youtu.be/vt3TJgh7ws4
Matetika mihitsy isika mandiso rehefa miteny. Hoy isika hoe « aza hadino » nefa « aza hadinoina » no tokony ho fiteny azy. Na koa hoe « avoakao » nefa « avoahy » no marina. Mazàna koa isika miteny hoe « itovizana » nefa tsy tokony hisy « z » mihitsy raha ny tena izy. Fanitsiana sy fanazavana.















